« Nahita azy tany an-efitra Izy, dia tany amin’ny tany foana be nampierona, ka dia nanodidina sy niahy azy, ary notandremany tahaka ny anakandriamasony ». Tahaka izany no natao tamin’Israely, ary tahaka izany koa no atao aminao. Nahita anao tany an-efitra Izy….
Catégorie : VATSY ANIO
« Hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra. Raha maharitra ny asan’ny olona izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon’ny afo ny asan’ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany koa dia hovonjena, nefa toy ny…
« Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana. » Izy Izay manamarina ny ratsy fanahy! Mahagaga izany! Tsy noho izy efa niova ho tsara na hita ho manana fialana…
« Fa ny amin’i Mefiboseta, hoy i Davida, dia hihinana eo amin’ny latabatrao toy ny anankiray amin’ny zanakalahin’ny mpanjaka izy … Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin’ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa. » Tsy…
« Izay arovan’ny herin’ Andriamanitra amin’ny finoana. » Maro ny zavatra manodidina ahy manintona ahy hivily làlana, dia hevi-dratsy ao am-poko, fakam-panahy, fanahiana, zava-tsarotra sendra mitranga, ny olon’izao tontolo izao, alahelo, fahadisoam-panantenana. Raha tsy hahazo fanampiana hitondrako izany rehetra izany aho, dia…
« Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’ Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano. » Miantomboka tahaka izany ny tantaran’izao tontolo izao. Tahaka izany koa ny tantaran’ny olombelona amin’ny momba ny fanahy. Na dia…
« Ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy. » Andriamanitra efa nanangana antsika. Ary raha marina fa ao amin’i Kristy aho, dia efa napetraka ao Aminy any an-danitra. Tsy ny toerana any ambony ahitana ny tavan’ Andriamanitra ihany…
« Fa Jehovah no mitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Israely no ho vodi-làlanareo. » Ao am-pivahiniana na amin’ny tanin’ny fahavalo ny olon’ Andriamanitra. Ny loza sy ny famelezana mbamin’ny fikendrena hanahirana ataon’ny fahavalo dia eo aloha sy ao ivoho. Nefa…
» Fa izao no lazain’i Jehovah: hosakelehina hianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika. Tahaka ny olona ampiononin-dreniny no hampiononako anareo. » Tahaka ny zaza mitady fialofana eo am-pofoan-dreniny no itadiavan’ny fanahiko fiononana amin’ Andriamanitra. Mety sasatra amin’ny lalao ny ankizy, mainka…
» Tamin’ny alàlany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao. » Ny hoe kristiana, dia ny mitoetra amin’ny fahasoavana, na hoe: velona sy miaina ary mihetsiketsika ao anatin’ny fahasoavana. Nefa na dia izany aza dia mety…