« Hozahan-toetra amin’ny afo ny asan’ny olona rehetra. Raha maharitra ny asan’ny olona izay narafiny teo amboniny, dia handray valim-pitia izy. Raha ho levon’ny afo ny asan’ny olona, dia ho fatiantoka izy; fa ny tenany koa dia hovonjena, nefa toy ny avy amin’ny afo ihany izy. »
Hevero fa hozahan-toetra amin’ny afo ny asanao indray andro any. Raha mizaha toe-tena tokoa tokoa amin’izao andronao izao hianao, dia mety hahasoa anao izany amin’izay andro izay.
Ny antony mahatonga anao hiasa no hizahako toetra ny tenanao, fa izany no mavesa-danja amin’ny asa. Ny tenanao ihany va no kendrenao amin’ny asanao sa Jesosy? Ny fitiavan’i Kristy va no manery sy mamporisika anao hiasa sa ny fitiavanao voninahitra? Ny hampifaly an’i Kristy va no anton’ny iasanao sa hahazo dera avy amin’ny olona? Miasa noho ny tahotra fotsiny va hianao sa vonona hiasa amim-pifaliana araka ny sitrapon’ny Zanaka?
Ao am-pieritreretana izany isika rehetra dia tokony hanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota!
Enga anie ka mba hisy amin’ny asako hahazoako vamim-pitia, dia izay mba asako noho ny fitiavako an’i Kristy.
Ry Tompo ô, diovy sy hamasino aho, fa iriko ny hitovy Aminao!