Efesiana 2:6

« Ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesosy. »

Andriamanitra efa nanangana antsika. Ary raha marina fa ao amin’i Kristy aho, dia efa napetraka ao Aminy any an-danitra. Tsy ny toerana any ambony ahitana ny tavan’ Andriamanitra ihany no lanitra, fa efa miaina ao Aminy sahady aho izao na dia mbola eto an-tany aza. Izany no mahatonga ny fiainan’ny kristiana ho fiainam-pahasambarana.

Eto an-tany dia vahiny sy mpivahiny aho, ka sahala amin’ny mifindra trano mandrakariva. Any an-danitra kosa no tena fonenako na eto an-tany aza aho.

Ny finoako no maha-iray ahy amin’i Kristy. Niara-maty Aminy aho. Izany no ahazoako anjara amin’ny fanavotana nataony ka ahazoako famelan-keloka. Niara-nalevina taminy aho mba hatolotra ho amin’ny fahafatesana ny Adama ela eto anatiko. Niara-natsangana taminy aho ka dia mahazo ilay herim-panahy vaovao ho amin’ny fahamasinana. Ka dia napetraka any an-danitra miaraka amin’i Kristy aho ka mahazo anjara amin’ny fahasambarany sy hareny tsy tambo tononina. Izay an’i Kristy dia ahy koa. Ny fahaveloman’i Kristy dia fahavelomako. Ny voninahitra ananany dia ahy koa. Odray, tsy hita lany ny hareko sy fahasambarako!

Laisser un commentaire