Isaia 52:12

« Fa Jehovah no mitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Israely no ho vodi-làlanareo. »

Ao am-pivahiniana na amin’ny tanin’ny fahavalo ny olon’ Andriamanitra. Ny loza sy ny famelezana mbamin’ny fikendrena hanahirana ataon’ny fahavalo dia eo aloha sy ao ivoho.

Nefa na dia izany aza dia mandeha amim-pahatokiana ny olon’ Andriamanitra, satria Andriamanitra no loha-làlany sy vodi-làlany. Tsy misy fahavalo mahazo mikasika ny arovan’ Andriamanitra.

Mpandeha amin’ny tanim-pahavalo hianao, ary ao amin’izany làlana izany hianao izao. Aza hadinoina fa ao amin’ny tanin’ny fahavalom-panahy hianao. Mikendry hampidi-doza aminao eo alohanao izy, ary misy andiam-pahavalo mikendry hamely anao avy aoriana.

Nefa mahazo mandeha tsy amin-tahotra ihany hianao, satria mandeha eo alohanao Andriamanitra. Mifanena aloha amin’ny fahavalonao Izy ka mandresy azy. Ary aorianao Andriamanitry ny Israely. Koa tsy misy ratsy hahatratra anao. Izao ihany no hataonao: Mandeha eo akaikin’ny Tompo. Aoka hatoky hianao, fa ao anatin’izany fiambenana izany. Miaro anao manodidina Andriamanitra.

Laisser un commentaire