« Nahita azy tany an-efitra Izy, dia tany amin’ny tany foana be nampierona, ka dia nanodidina sy niahy azy, ary notandremany tahaka ny anakandriamasony ».
Tahaka izany no natao tamin’Israely, ary tahaka izany koa no atao aminao.
Nahita anao tany an-efitra Izy. Foana na tsinotsinonana mihitsy ny toe-piainanao raha tsy nahita anao Izy. Namboariny ho toy ny tanimboly mahafinaritra ny fiainanao izay toy ny tany hay taloha.
Ary manaraka izany dia miaro anao manodidina sy miahy anao Izy. Karakaina fatratra ny fiainanao. Arovany amin’ny loza sy ny ratsy rehetra hianao na dia amin’ny loza izay tsy fantatrao fa mety hihatra aminao aza. Isan’andro na isaky ny segondra aza dia karakainy hianao. Mibanjina anao mandrakariva Izy.
Toy ny anakandriamason’ Andriamanitra hianao, dia ny sarobidy indrindra ananany, ny maminy indrindra izay tsy mahatoha na dia ny vovoka kely indrindra aza. Ny fitiavan’ Andriamanitra anao dia toy ny hodi-maso mikatona faingana mandrakotra ny maso raha vantany vao misy vovoka, na dia kely bitika monja aza, manatona azy.
Sambatra aoka izany hianao. Raha tsy noho Izy, dia toy ny fakofako any amin’ny tany mangentana hianao. Nefa noho ny fitiavany dia toy ny anakandriamasony hianao.