« Fa ny amin’i Mefiboseta, hoy i Davida, dia hihinana eo amin’ny latabatrao toy ny anankiray amin’ny zanakalahin’ny mpanjaka izy … Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin’ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa. »
Tsy milaza ny tantaran’i Mefiboseta ihany ity. Fa amin’ny ara-panahy dia maro no efa nahatsapa izany voalaza ny amin’i Mefiboseta izany.
Loza tokoa ny fahalemena. Kanefa tonga fahasambarana ho an’i Mefiboseta izany, satria tonga mitovy tamin’ny zanakalahin’ny mpanjaka izy ka nahazo nihinana mandrakariva teo amin’ny latabatry ny mpanjaka.
Mety ho tonga fahasambarana ho anao koa ny fahalemenao. Raha tsy nalemy hianao, dia angamba lasa nandeha tamin’ny làlanao, ka nanalavitra ny lapan’ny mpanjaka. Fa izao kosa dia manome zo anao hitovy amin’ny Zanany Izy, ka mandray anao hihinana eo amin’ny latabany.
Be fahasoavana tokoa ny Mpanjaka lehibentsika. Hoy ny voalazan’ny Matio 22,10 hoe: « Dia nivoaka ho any amin’ny làlana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady ».
Tahaka izany Jesosy Mpanjakantsika! Misy toerana ho anao koa eo amin’ny latabany, anio sy ho mandrakizay, raha tianao.