Isaia 66:12-13

 » Fa izao no lazain’i Jehovah: hosakelehina hianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika. Tahaka ny olona ampiononin-dreniny no hampiononako anareo. »

Tahaka ny zaza mitady fialofana eo am-pofoan-dreniny no itadiavan’ny fanahiko fiononana amin’ Andriamanitra.

Mety sasatra amin’ny lalao ny ankizy, mainka sasatra lavitra noho izany amin’ny ady am-panahy ny olom-baventy. Tsy mora ny fiainana. Maro ny zava-tsarotra miseho sy fahasahiranana mitranga noho ny ataon’ny olona vokatry ny tsi-fitiavany sy tsi-fananany fo mangoraka sy tsi-firehana amin’izay tokony hanampiana namana. Betsaka ny olona maniry hanehoana fitiavana, nefa kely no hitany.

Te-handray antsika ho eo ampofoany Andriamanitra ka azon’ny fanahintsika hakaikezina Izy. Tahaka ny renin-jaza no ataon’ny Raintsika any an-danitra amin’izay tena manatona Azy.

Nofaizina ny Israely nefa nampiononina indray. Tsy maharitra mandrakizay ny famaizana ataon’ Andriamanitra. Ny tànana nikapoka no manindraindra sy mampionona ny zanany mitomany.

Tompo ô, ampahafantaro ahy anio ny fitiavanao !

Laisser un commentaire