Genesisy 1:2

« Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’ Andriamanitra nanomba tambonin’ny rano. »

Miantomboka tahaka izany ny tantaran’izao tontolo izao. Tahaka izany koa ny tantaran’ny olombelona amin’ny momba ny fanahy. Na dia milalao sy mifaly ary mihomehy aza ny olona dia foana ihany na tsinotsinona ihany ny fiainany. Mikorontana ny sainy, ary hoatry ny tsaroany mandrakariva fa hantsana lalina no manodidina azy, ka tsy fantany izay ao amin’ny fanambanin’izany hantsana izany. Tsy hitany izay hilazany azy, fa « aizina no ambonin’ny lalina. »

Nefa ny Fanahin’ Andriamanitra manomba ambonin’ny rano. Ary izay misy ny Fanahin’ Andriamanitra dia misy fanantenana, satria ny asan’ny Fanahin’ Andriamanitra dia ny mamorona aina sy fahazavana. Ny tsi-fiadanana ao aminao noho ny ahalalanao fa foana ny fiainanao dia asan’ny Fanahin’ Andriamanitra. Tsy mamela anao tsy hiadana foana Izy. Tiany hanipazana fahazavana eo ambonin’ny hantsan’ny famoizam-po sy fahotana. Hasehony anao koa ity zavatra lehibe anankiray, dia ny fahasoavan’ Andriamanitra tsy hita lany. Mbola hitondra anao ho eo amin’ny hazo fijalian’i Jesosy Izy, ka haneho anao ny halalin’ny Fitiavany. Hohitanao eo amin’ny famindram-pon’ Andriamanitra mihoa-pampana.

Laisser un commentaire