1 Petera 1:5

« Izay arovan’ny herin’ Andriamanitra amin’ny finoana. »

Maro ny zavatra manodidina ahy manintona ahy hivily làlana, dia hevi-dratsy ao am-poko, fakam-panahy, fanahiana, zava-tsarotra sendra mitranga, ny olon’izao tontolo izao, alahelo, fahadisoam-panantenana. Raha tsy hahazo fanampiana hitondrako izany rehetra izany aho, dia very làlana sy ketraka mihitsy.

Nefa isaorana anie Andriamanitra, fa misy fanampiana anakiray, ary fanampiana mahomby izany, dia ny herin’ Andriamanitra.

Efa nampanantena ahy Izy tenany fa hanampy sy hihazona ahy. Ary tsy ovany mandraka androany ny fampanantenany. Na dia misy aza manintona ahy hivily, ary na dia mahery aza ny mitaona ahy ho tia izao tontolo izao, ary na dia lehibe aza ny entana asain’i Jesosy ho entiko, ary mavesatra ny hazo fijaliana ampitondrainy ahy, dia tsy ho ketraka aho, satria arovany amin’ny heriny.

 » Amin’ny finoana », hoy ny teny eto. Amin’izay mahalala fa tsy mahaleotena ka mitady fanampiana amin’ Andriamanitra, dia ny finoana no làlana hanatonana Azy. Eo am-piekena ny tsi-fahombiazako sy ny tsi-fahatokiana ny herin’ny tenako no tonga amiko ho fananako ny herin’ Andriamanitra, eny, ho fanana be dia be ho ahy.

Eny, ry Tompo ô, amin’ny herinao no hiarovanao ahy.

Laisser un commentaire