« Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana. »
Izy Izay manamarina ny ratsy fanahy! Mahagaga izany! Tsy noho izy efa niova ho tsara na hita ho manana fialana amin’ny ratsy no anamarinana azy, fa izao ihany: noho ny finoana.
Tsy misy fomba na teny azo ilazana azy mihoatra noho izany. Ary teny nataon’ Andriamanitra izany ka manome fanantenana feno. Ny ratsy fanahy izay tsy manana asa soa vita, tsy mahatratra velively ny toe-piainana voatendrin’ Izy Andriamanitra, mpandinika ny voa sy ny fo, no atao afaka sy hamarinina. Tsy hainy velively ny hahamarina ny tenany, fa ny manatona ny fahasoavan’ Andriamanitra no azony atao, ka mandray ny fahamarinan’i Kristy ho fahamarinany izy. Mety tsy mahalala ny voalazan’ny Soratra Masina hoe finoana izy, nefa maniry hahazo famonjena, ka finoana izany sady finoana mahavonjy azy. Ny mpanota, ny ratsy fanahy, ny tsy manana asa soa vita dia marina eo anatrehan’ Andriamanitra noho i Kristy.
Fahasoavana anampy fahasoavana izany!