Salamo 25: 14

« Ny fisainan’i Jehovah dia asehony amin’izay matahotra Azy ».

Samy mitady olona hilazana ny am-po ny olona tsirairay. Ny manidy ny fo sy tsy mandoatra ny ao am-po dia tahaka ny manidy ny varavaram-be sy ny varavaran-kely tsy hidiran’ny hainandro sy ny rivotra mahasalama. Ny alahelo sy fifaliana, ny fahadisoam-panantenana sy ny zava-mahagaga, ny zava-miafina sy ny zava-kasaina hatao, ny zava-manjo rehetra, na kely na lehibe dia ilain’ny olona hambara amin’ny hafa.

Ahazoany hery ny fampisehoana ny ao am-po, raha olona tsara sy mahatoky ary marina no anehoana azy.

Mangataka anao hampiseho ny ao am-ponao aminy Andriamanitra anio. Mahatoky sy tsara ary marina tokoa Izy. Mahalala tokoa ny ao am-po Izy sady be fitiavana ary hendry sy mahari-po.

Raha faly hianao, dia te-hiara-paly aminao Izy. Raha tsy mahita izay atao hianao, Izy kosa mahita hevitra. Raha mila ho diso làlana hianao dia hampahalalany. Mampionona anao Izy, raha diso fanantenana hianao, ary mampahery anao raha sasatra hianao.

Raiso ny fitiavany anao. Ambarao aminy ny ao am-ponao. Ataovy izany ankehitriny. Fahasoavana lehibe ho anao ny hetezan’ Andriamanitra hampiseho ny fisainany aminao sy hihaino anao mpanota manambara aminy ny ao am-po.

Laisser un commentaire