« Ary tamin’izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tatao amiko. Ary nisy indray nanana endrik’ olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra, fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny izy, dia nihahery aho. »
Ry havana malala sasatra ô, ho anao izany teny izany. Tian’ Andriamanitra indrindra hianao. Nanolotra ny ainy ho fanavotana anao Izy. Ka misalasala ny fitiavany anao va hianao?
Raha miaiky tahaka an’i Daniela hianao izao ka manao hoe: Tsy misy hery mitoetra ato amiko intsony, dia tonga Izy ka manendry anao ary miresaka aminao. Ary satria Tsitoha Izy, dia mameno hery anao ny fanendreny anao sy ny teniny aminao. Noho izany dia tsy maintsy miteny tahaka an’i Daniela hianao hoe: Rehefa niteny tamiko Izy dia nihamahery aho.
Noho izany dia mahereza, eny, mahereza.