» Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’izay naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy. Fa izaho kosa tsy mba manadino anao. »
Tahaka ny fitiavan’ny renin-jaza ny zanany minono no itiavan’ i Jehovah ny mino Azy. Toetra araka ny mahareny ny reny ny mikarakara ny zanany; sombin’ainy moa ny zanany. Ny fisian’ny zaza moa dia miankina amin’ny renin-jaza. Noho izany dia sarotra amin’ny reny ny manadino ny zanany.
Nefa na dia mety hanadino ny zanany minono aza ny renin-jaza; Andriamanitra kosa tsy mety manadino anao. Na dia amin’ny zavatra kely indrindra ilainao aza dia miankina Aminy hianao, ka raha manadino anao Izy dia levona hianao. Be famindram-po Andriamanitra. Mikarakara fatratra anao isan’andro mihoatra noho ny fikarakaran’ny renin-jaza ny zanany Andriamanitra. Toetran’ Andriamanitra izany, fombany mandrakariva ny mikarakara anao.
Mety manadino ny zanany minono ny renin-jaza, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao, hoy Andriamanitra.