« Fa Izy no fihavanantsika. »
Tsy ilana adi-hevitra ny fisian’ny fiadanan’ny kristiana. Misy izy. Kristy no fiadanantsika kristiana. Tsy ny fandresenao ny fakam-panahy, tsy ny fahamasinanao, tsy ny fanenenanao amin’ny diso nataonao, tsy ny fibebahanao, ary tsy ny vavaka ataonao no fototry ny fiadananao, fa Kristy ihany.
Amin’ny anazavan’ny Fanahy Masina ny fibebahantsika sy ny fahamasinantsika, ary ny vavaka ataontsika mbamin’izay rehetra ao am-pontsika, dia fantatsika fa tsy tanteraka izany rehetra izany ka dia mihakely ny fiadanantsika. Fa raha manazava an’i Kristy amintsika ny Fanahy Masina dia tsy mihozongozona ny fiadanantsika.
Tsy maintsy ovana Kristy vao mety hihozongozona ny fiadanantsika kristiana. Tsy maintsy atao ho zavatra tsy misy Kristy vao mety ho lasa tsy hita ny fiadanantsika kristiana. Tsy maintsy ampanalavirina ny seza fiandrianan’ Andriamanitra i Kristy, ( nefa tsy azo atao izany), vao izay no azo ampialaina ny fiadanana marina. Nefa mipetraka mandrakizay eo an-tànana ankavanan’ Andriamanitra i Kristy, ka dia maharitra mandrakizay koa ny fiadanan’ izay ao Aminy.
Na amin’ny andro sarotra sy tsy misy fiadanana aza ao amin’izao tontolo izao, dia tsy mba foana fa ao ihany ny fiadanantsika kristiana, satria Kristy no fiadanantsika.