» Raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko. »
Mitandrema hianao mba tsy hihemotra. Fa raha mihemotra hianao dia tsy mahazo sitraka amin’ny Tompo.
Be fahasoavana Andriamanitra. Tsy mitaky fampisehoam-pahaizana amintsika Izy, tsy mitaky finoana voafetra na nenina voafetra sy antoka fa te-hatoky sy te-hiantombina tsara amin’ Andriamanitra, ary tsy hihemotra. Efa nampanantena Izy fa hanefa ny zavatra rehetra ho antsika. Tsy afaka hanao izany anefa Izy raha mbola miroa saina sy tsy tena manome fahefana Azy isika. Indrindra raha mankarary antsika ny ataon’ Andriamanitra amintsika dia mifehy ny tànan’ Andriamanitra isika ka mihemotra. Dia tsy tanteraka ny asa efa natombony amintsika.
Avelao hiasa ny Tompo. Ny miantombina tsara amin’ Andriamanitra no anjarantsika. Omeo fahefana handidy ny vainao Izy. Avelao hanadio sy hamehy ny ferinao Izy. Aza mihemotra na dia faiziny aza; araho ny fitarihany, aza mihemotra raha omeny adidy hovitaina; henoy ny fampiononana Ataony, ary eritrereto ny Fitiavany anao. Izy irery no tena mahafantatra ny hahasoa anao. Ary ny hahatsara anao ihany no ataony aminao. Avelao hanao izay tiany hatao aminao Andriamanitra.