Deoteronomia 32:11

« Toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ny akaniny, ka maniditsidina eo ambonin’ny zanany, dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy, ary nitondrany azy teo ambonin’ny elany. »

Mianatra manidina ny zana-borona, ary ao anatin’izany ny zana-boromahery. Ao amin’ny harambato avo no misy ny akanin’ny voromahery, ka sarotra anidinana ny laniny rehetra. Hatao ahoana no fiantoraka hialana amin’izany akany izany. Sao tsy hahazaka hanidina ny elatra tsy mbola nanandrana izany.

Nefa ny reni-voromahery mamoha ny zanany. Manodidina ny zanany izy ka miantso azy hanidina; dia sahy ireo zanany. Voalohany manidina izy amin’izany. Ary mahasidina tokoa izy. Mihodikodina eo akaikin’ny hantsana izy.

Nefa tsy ela dia sasatra, fa tsy mahazaka azy intsony ny elany. Amin’izany izy dia azo heverina ho miteny hoe:  » Odrey, ny fifaliako raha tonga eo amin’ny akaniko indray aho. » Nefa niambina nijery ny fanidin’ny zanany reniny, ka nony hitany fa sasatra izy dia misonenika eo ambaniny anidinan-janany, ka mandray azy, ary mitondra azy ho amin’ny akaniny. Ary dia miala sasatra amim-pahatokiana eo amin’ny elatra maherin’ny reniny izy.

Toy ny zana-boromahery hianao. Aza matahotra ny hantsan-dehibe. Aoka ho sahy hidina ao. Misy anankiray miambina anao amin’izany dia Andriamanitra. Raha sasatra hianao, dia mahazo mijanona, ka midina na dia hitanao aza fa hantsana no eo ambaninao. Andriamanitra tenany no tonga ka mitondra anao amim-pitiavana ho amin’ny akaninao feno fiadanana.

Laisser un commentaire