« Jehovah ô! Ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay ».
Mitandrema mba tsy ho voan’ny fiavonavonana. Akaiky anao noho izay iheveranao azy Izy. Raha holazaina izay tena izy dia tsy manan-drariny hahazo voninahitra sy laza be hianao. Raha misy zava-tsoa na lehibe vitanao dia ny Tompo no nanao izany. Raha misy asa soa ambaran’ny olona hoe: asanao, ny tena izy kosa dia ny hoe: Asan’ Andriamanitra. Fiasana eo an-tanan’ Andriamanitra ihany isika. Tahaka ny angady eo an-tanan’ ny mpiasa hianao, ka raha misy asa vitan’ny mpiasa amin’ny angady, dia ny angady va no hahazo ny voninahitra fa tsy ny mpiasa?
Izay asa soa vitanao dia Andriamanitra no namita azy. Fiasana ratsy hianao ka nety ho nariany, ka ho nitady hafa Izy. Nefa tsy izany fa nanohy ny asany taminao izay fiasana ratsy ihany Izy. Ny voninahitrao dia tsy ny asa soa vitanao, fa ny andraisan’ Andriamanitra anao ho fiasana eo an-Tànany kosa.