Matio 9:13

« Tsy avy hiantso ny marina Aho fa ny mpanota ».

Ry mpanota mahantra ô, ny hiantso anao no nahatongavan’i Jesosy. Ka moa misalasala ny amin’ izany va hianao? Ny mpanota no nokendreny amin’ny nahatongavany eto an-tany. Tia azy fatratra Izy ka dia nampangetaheta Azy ny hahazoan’ireo famonjena.

Tsy miantso ny marina Izy. Voatery ho nanao izany Izy, satria tsy nitady Azy ireo. Raha ny tena izy dia tsy marina ireo, nefa dia nihevi-tena ho marina. Tsy nitady fanampiana tamin’ny hafa, afa-po amin’ny toetry ny asa vitan’izy tenany ihany. Ny nameno ny sainy dia ny tahotra an’Andriamanitra ihany ka tsy nitady ny famonjena avy amin’ny fahasoavana.

Fa ireo mpanota mahantra kosa, izay tsy nanana antony hialan-tsiny fa nijaly ao ambanin’ny fahadisoany, ka menatra noho izany dia nanatona an’i Jesosy. Ary Jesosy tsy nandroaka azy. Noho izany dia avia. Tsy miova Izy, fa mbola mamonjy ny mpanota.

Laisser un commentaire