Isaia 43:1

« Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso ny anaranao Aho; Ahy hianao. »

Ahy hianao, Andriamanitra no nilaza izany. Tsotra izany teny izany ka tsy nampisalasala Azy! Fananany! … Teny tsotra, mahafinaritra nivoaka avy tamin’ny vavany. Hoy Izy hoe: Ahy hianao!

Efa niantso anao amin’ny anaranao Izy. Tsy teny atsipy ho an’ny vahoaka izany, izay ho azon’ny olona rehetra raisina, na iza na iza. Ny mino ihany no mahazo mandray ireo teny ireo, fa tsy ny olona rehetra. Hianao dia hianao no nantsoiny, dia ny anaranao. Hianao no ilazana ireo teny ireo. Azy hianao.

Navotany hianao. Hoy Izy hoe: « Efa nanavotra anao Aho. » Ary ny mahatonga anao ho fananany dia noho ny fikarakarana tsara nataony taminao sy ny nividianany lafo anao. Nahafoy ny ainy hanavotana anao Izy. Ny fanatitra nataony sy ny asa vitany ho anao no mahatanteraka izany.

Noho izany dia aza matahotra. Voavotra hianao, ka antsoina amin’ny anaranao. Voavidin’i Jesosy, ka fananany.

Laisser un commentaire