MATIO 20:17-28
Araka ny an’olombelona (20-25). Matetika dia zatra mitsofoka mba hanome toerana tsara ny zanany, na tsy manana traikefa aza, ny ray aman-dreny. Mihoatra noho izany ny any an-danitra, satria toeram-piofanana ny eto an-tany. Ampianarin’ny Tompo ny mpino hahafehy ny zava-drehetra (Filipiana 4.13). Ambonin’izay dia tsy maintsy maharitra sy miaritra lazon’ady. Ny mpanompo voazaha toetra dia omen’Andriamanitra voninahitra afaka hiara-hanjaka Aminy rahatrizay (2Timoty 2.12). Na mety nanana faniriana tsara aza teto i Salome, dia tsy ny toerana ambony any an-danitra no zava-dehibe; fa manaiky tefena aloha. Nomen’i Jesosy anarana hafa mihitsy moa i Jakoba sy Jaona hoe: “Zana-baratra”. Koa tsy izany toetratsika izany no ho enti-mody any amin’ny Ray.
Araka an’Andriamanitra (26-28). Azo lazaina hoe ny “manompo” dia manome fahafahampo ny mpampiasa azy sy ny hafa. Jesosy izany dia tonga hanatanteraka ireo, ary tamin’ny faratampony no nanaovany azy. Ny “mpanompo” koa dia natao hanao izay sitrapon’ny tompony, tahaka ny andevo tamin’ny fotoan’androny. Ratsy ny olombelona, ary hita taratra teto amin’ny Jiosy, olom-boafidy hitondra ny fahatsaran’Andriamanitra izany. Ny mpitondra fivavahana mihitsy no nanameloka ny Tompo sy namono Azy. Tsy nisy zava-bitany teo amin’Israely satria nolazain’i Jesosy fa zanaky ny devoly izy ireo (Jaona 8.41). Maika noho izany ny famonjena, koa vonona hahafoy ny Ainy noho ny fahotantsika Jesosy. Izany no modely asehony amintsika mba hanahaka ny toetrany isika. Izany hoy Izy no manambara ny fahalebiazana. Ny zanaka manana ny endrika sy toetran’Andriamanitra dia olona tanteraka, sady miendrika ny mponin’ny lanitra.
Tandremo! Manaraka ny dingam-pitomboana: mianatra ho volavolain’i Jesosy aloha, vao miasa, ary ho mpitarika avy eo.