MATIO 20:29-34
Jeriko: tanàna mimanda goavana ; nefa rava tamin’ny andron’i Josoa. Lasa roa izy teto: tanàna taloha sy vaovao. Nivoahan’i Jesosy teto ny iray ary nidirany ny iray any amin’ny Lioka 18.35.
Jesosy miara-monina amintsika (29-30). Ny boky nosoratan’i Matio dia natao ho an’ny Jiosy aloha, mba hinoany fa Jesosy ilay Mesia, taranak’i Davida. Izany indrindra no nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny feon’ireto roalahy jamba tamin’ny feo mahery niverimberina: “Ry Tompo, Zanak’i Davida ô”. Tsy misy izay miafina amin’i Jesosy ny ati-fiainantsika rehetra. Amin’ny maha-Tompo Azy, dia afaka antsoina amin’ny fotoana tsy misy fetra Izy, ary vonona hamaha ny olantsika. Ny famonjena ny fanahintsika no laharam-pamehan’Andriamanitra (Matio 6.33), mba ho isan’ireo migoka ny zava-tsoan’ny Fanjakany isika.
Mifidy ny malemy (31). Mifidy ny olona voahiliky ny fiaraha-monina ny Tompo“hampahamenatra ny hendry sy ny mahery” (1 Korintiana 1.27-28). Na dia voarara tsy hanao tsinontsinona ny manan-kilema aza ny Zanak’Israely (Deotoronomia 27.18), dia tsy nanaja izany teto. Nataon’Andriamanitra tao anatin’ireto jamba kosa nefa ny finoana Azy, izay nampiasainy rahateo, mba hahasitrana azy. Jesosy no manaitra ny fanahintsika mba hino sy hankato Azy isika. Amin’ny fotoana hahatongavan’ny Tenin’Andriamanitra ao anatintsika, dia fanararaotra izany mba hirosoana amin’ny fanakaikezana Azy.
Maheno antsika Jesosy (32-34. Ilay Andriamanitsika dia mahay ny zava-drehetra: fahagagana, fanovana ifotony. Tsy voatery mamaly eo noho eo koa Izy, satria manana ny fiandrianany. Mila maharitra miantso Azy, satria efa baikony rahateo ny tsy mitsahatra miresaka Aminy (Kolosiana 4.2). Omen’ny Tompo safidy isika amin’’izay zava-dehibe tokony angatahintsika, hahatrarantsika ny fiainana mandrakizay.
Vavaka: Tompo ô! Ampianaro aho hahay hangataka izay laharam-pamehana eo amin’ny fiainako!