MATIO 19:23-30
Iza no hotompoiko ? (23-26). Nampitandrina ny mpianany teto ny Tompo fa fandrika lehibe sy goavana tokoa ny fitokiana amin’ny harena eto an-tany (23). Tsy ny harena no ratsy satria sitraky ny Tompo tokoa ny hiadanan’ny olony sy ny hananany harena be, raha tsy hilaza afa-tsy ny tantaran’i Joba, Solomona, … Saingy ny fitiavana izany mihoatra an’Andriamanitra no hampivily làlana ny olona. Ny Tompo rahateo efa nilaza fa « … Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna ianareo » (Matio 6:24b). Koa mila mitandrina isika mba tsy ho takon’ny vola sy ny harena ny fitiavana ny Tompo.
Tambin’ny fanarahana ny Tompo (27-30). Mahaliana tokoa izao fanontaniana napetrak’i Petera izao (27). Koa dia nampanantena ny Tompo fa rehefa « hohavaozina tanteraka izao tontolo izao » (DIEM 19.28) dia hiara-hipetraka amin’ny Tompo eo amin’ny seza fiandrianana ireto mpianany ireto. Mihoatra lavitra noho izay eritreretina ny valisoa homanin’ny Tompo ho azy ireo satria hiara-hanapaka amin’ny Tompo izy ireo. Tsy ho azy ireo irery ihany koa anefa izany fampanantenana izany fa hahazo ny anjarany, dia ny fandovana ny fiainana mandrakizay, izay mpanara-dia ny Tompo (29). Marina fa mety ho mafy ny sedra (Marka 13.13) kanefa fohy ihany izao fandalovana eto an-tany izao, fa ny aorian’izao no maharitra mandrakizay.
Sainintsaino : 1 Korintiana 15.58