MATIO 19:1-12
Efa nanana ny planiny Andriamanitra (1-6). Ny Fariseo dia tsy nitsahatra ny namandrika an’i Jesosy ka nahatonga azy nametraka izao fanontaniana izao. Mazava anefa fa Andriamanitra dia efa nanana planina momba ny fanambadiana. Ary ny Fariseo izay namaky tsara ny Boky dia mahalala izany rahateo. Tsotra ihany ny planina efa nomanin’Andriamanitra ho amin’ny fanambadiana dia ny maha iray ny mpivady, ka tsy tokony hisaraka satria lasa “…nofo iray ihany izy roroa…” (Gen 2.24).
Nisy planina, saingy … (7-9). Nentin’ireo Fariseo nanohy ny famandrihany an’i Jesosy ny Tenin’ny Baiboly tamin’ny alàlan’i Mosesy hanamarinany tena (Gen 24.1). Tsotra ny navalin’ny Tompo fa famindram-po no nahatonga izany fanomezana taratasy fisaoram-bady izany (8) fa tsy planin’Andriamanitra tsy akory. Marina fa nisy ny planina fa noho ny fahalemen’ny olona dia nanome vahaoana ihany Izy hampirindra ny fiarahamonina. Nantitranterin’ny Tompo kosa anefa fa antony iray ihany, raha ny tokony ho izy, no hahafahana misao-bady dia noho ny fijangajangana irery ihany (9). Indrisy fa maro ankehitriny, noho ny antony maro samihafa, ireo tafalatsaka amin’izany fisaraham-panambadiana izany. Anisan’ny fanamby ho antsika kristiana, mpanaradia ny Tompo, ny mijoro ho modely eo amin’izany tokantrano izany.
Mahay mandray (10-12). Somary sadaikatra ihany ny mpianatra teto ny amin’izany fahafahan’ny lehilahy izany ka nahatonga azy ireo hanao izao teny izao (10). Mila mahay mandray lesona anefa isika. Tsotra ihany ny hahalalana ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny fifankazarana amin’ny Teniny (119.105).
Vavaka : Ampio ny tokantrano kristiana Tompo ô, mba ho modely ho an’ny hafa. Amen !