MATIO 18:21-35
Impiry moa ? (21-22). Ho tohin’ny Mana omaly dia lasa saina ihany i Petera hoe hatramin’ny ahoana no hamelana heloka ny rahalahy ! Tena ohatra iainana andavanandro tokoa izao fanontanian’i Petera izao satria amin’ny maha olombelona dia misy fotoana mety ho leo na ho tofoka ihany ny olona. Kanefa tsy izany no navalin’ny Tompo. Raha misy fetrany tokoa moa ny famelan-keloka ataon’ny Tompo dia hisy ho voavela heloka ve isika na dia iray monja aza ! Mampiseho eto ny fitiavana tsy manampetran’Andriamanitra antsika sady Andriamanitra rahateo dia Fitiavana (1 Jaona 4.8). Koa raha tena mpanara-dia ny Tompo tokoa isika dia mila manahaka izany toetrany izany.
Izaho koa ! (23-35). Fanoharana lehibe sady mampieritreritra no nataon’ny Tompo teto. Izany dia mampiseho ny toetrantsika olombelona izay hanjakan’ny fitiavan-tena. Tamin’ny alàlan’i Jesoa Kristy dia namela ny helotsika rehetra Andriamanitra, ny heloka rehetra tsy misy fetra, ka mahatonga antsika ho olom-baovao (2 Korintiana 5.17). Ary raha Andriamanitra aza namela ny helotsika, dia isika kosa ve tsy tokony hamela ny heloky ny namantsika, eny na ny fahavalontsika aza ? Mampieritreritra ihany koa ilay sombiny ao amin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo antsika milaza hoe « Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay. » (Matio 6:12).
Fandinihantena : Ataoko tsianjery fotsiny ve ilay vavaka nampianarin’ny Tompo sa tena hiainako ?