MIFANOHANA

MATIO 18:12-20

Mahafaly na dia iray monja aza (12-14). Fanoharana ny amin’ny zanak’ondry iray very no nataon’ny Tompo eto ; toetran’ny tena mpiandry tsara sy mahatoky ny tsy mamela ny ondriny na dia iray monja aza ho very fa mitady ny hevitra rehetra hitadiavana azy izy. Izany dia toetran’Andriamanitra Ray malahelo antsika izay nania ka nahatonga azy nitady antsika ary naniraka ny Zanany Lahy Tokana mba hamonjy antsika, dia Jesosy Kristy izany. Ary aoka ho fantatsika fa mahafaly ny Ray ny mahita mpanota iray mibebaka ka mahatonga fifaliana lehibe any an-danitra any (Lioka 15.10).
Fomba famahana olana (15-20). Toe-javatra mety miseho eo amin’ny fiaraha-monina, ary indrindra ny fiangonana ny olana misy eo amin’ny samy mpiara-monina sy ny mpiara-mivavaka. Fomba famahana olana sy fanitsiana misy ambaratongany no nampianarin’ny Tompo teto. Raha misy olona manao ny tsy mety rahateo dia mila ampiana izy hiala amin’izany mba hiverina amin’ny làlana marina. Tsy voatery ho tonga dia dradradradraina ampahibemaso izany fa ny tsara indrindra dia ny mifanatona mitokana aloha. Rehefa tsy voavaha ny olana izay vao miakatra tsikelikely, fa ny tanjona dia ny hiverenana amin’ny làla-marina. Mila mahazo toky isika fa rehefa miara-entina am-bavaka eo amin’ny Tompo ny olana na toe-javatra iray dia manampy antsika Izy (19,20).
Fanontaniana : Inona no andraikitra noraisiko nitaomana ny mpanota hanatona sy hanaiky an’i Kristy ?

Laisser un commentaire