MANOMPO SY MAMPANDROSO NY HAFA

MATIO 18:1-11

Iza no lehibe ! (1-6,10). Nanitikitika ny mpianatra ny hahafantatra izay ho lehibe indrindra eo amin’ny fanjakan’ny lanitra (1). Mety ho nanitikitika azy ireo koa ny fiomanana izay ho solon’i Jesosy Kristy rehefa maty Izy satria tsy mbola tena fantany fa Jesosy Kristy anie ka velona mandrakizay. Tsy araka izay noheverin’izy ireo ny valim-panontaniana navalin’ny Tompo satria ohatra tsotra no setriny. Tsy nanome lanja loatra amin’izay noheverin’ny olona ho lehibe sy avo ny Tompo satria Izy dia nanome lanja ny madinika hatrany. Mahamaika ny olona tokoa ankehitriny ny hanana ny toerana ambony na eo amin’ny fiarahamonina izany na eo amin’ny fitondrana. Jesoa rahateo efa nilaza fa
« Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’izy rehetra. » (Marka 10:44).
Mba tsy ho izaho sanatria no… (7-9,11). « … betsaka ny toe-javatra mitarika amin’ny ratsy…» raha ny voalaza ao aminy dikan-teny DIEM 7a. Tsy tongatonga ho azy anefa izany fa ny olona ihany no mitarika ny hitrangan’izany ka nahatonga ny Tompo nampitandrina mafy eto. Noho izany dia mila mandini-tena hatrany isika kristiana eo amin’ny fitondran-tena sy ny fiainana andavanandro sao ny ataontsika indray no mampihemotra ny olona tsy hanara-dia an’i Kristy.
Baiko : Alaviro ny toetra ratsy sy fanao ratsy rehetra tsy mampandroso ny hafa (saintsaino ny Matio 5.13)

Laisser un commentaire