MISY FEPETRA

MATIO 16:21-28

MATIO 16.21 – 28 F.2,6
MISY FEPETRA

Tsy tonga fotsiny teto an-tany Jesosy Ilay Zanak’Andriamanitra fa manana antso manokana ary dia nampahafantariny ireo mpiara-miasa Aminy izany. Miha lalina tokoa ny fifandraisana.
Antson’i Jesosy. Nolazainy tamin’ny mpianatra mazava ny antsony izay efa fantany hatrany am-boalohany amin’ny maha Andriamanitra Azy. Hampijaliana, ho vonoina ary hatsangana amin’ny maty Izy (21) ary tsy maintsy hankatoaviny izany. Vao teo i Petera no nanao fanekem-pinoana goavana ary nahazo dera tamin’i Jesosy. Nekeny fa Mesia i Jesosy fa tsy nekeny hoe hiaritra ireo fahoriana rehetra ireo. Tsy tena mbola azony ilay fanambarana, mbola mijery amin’ny maha-olombelona izy (22). Miandalana tokoa ny fahatakarantsika ! Sakana ho an’ny fankatoavan’i Jesosy ny planin’Andriamanitra ny tenin’i Petera ka dia nolaviny (22).
Izay ekena ho mpianatra. Nambaran’i Jesosy mazava tamin’ny mpianatra sy ny vahoaka ihany koa fa misy fepetra ny fanarahana Azy. Fantatr’i Jesosy izay tsy maintsy hiaretan’ireto mpanara-dia azy ireto ka efa nanomanany azy ireo. Tsy maintsy handalo fanenjehana mavaivay izy ireo (Asan’ny apostoly 12) ka mila mivonona hiaritra sy hanolotra ny ainy noho ny fitiavany an’i Jesosy sy ny filazantsara.
Ho avy ny fotoana hitsarana azy ireo hoe nanao ahoana ny asany, ny nataony, ny nalehany (27) : Nanolotra ny ainy ho an’i Jesosy ve sa nifikitra tamin’izao tontolo izao ka nandà azy noho ny tahotra na ny henatra ? (25,26). Manao ahoana izaho sy ianao amin’ny fanarahan-dia an’i Jesosy ? Tsarovy mbola ho tsaraina isika !
Hosaintsainina : Tsy maintsy nanaiky niharitra fahoriana mafy i Jesosy mba ho famonjena ahy sy ianao ary nantsangana tamin’ny maty mba hananantsika fiainam-baovao. Efa nanokatra ny fonao handray izany fitiavana lehibe izany ve ianao ?

Laisser un commentaire