ATAONAO HO IZA?

MATIO 16:13-20

Te hahafantatra i Jesoa. Maro ny olona nanaraka sy nanatona an’i Jesosy (Matio14.14). Samy manana ny antony hanarahana Azy ireo olona ireo : ao ny te ho sitrana, te ho afaka amin’ny fatorana, te ho voky,te hianatra fa ao koa ny te hamandrika. Tsy faly fotsiny i Jesosy hoe efa betsaka ny mpanara-dia Azy. Mpitarika hendry Izy, te hahalala misimisy kokoa ny fahatakaran’ireo olona Izy mba hahafantarany ny finoan’izy ireo. Tena liana amin’ny dingam-pinoana misy ahy sy ianao Jesosy.
Vahoaka. Samy miaiky ireo vahoaka fa olona i Jesosy (13). Misy milaza fa olona efa maty fa nitsangana (14). Ny fijery maimaika tokoa dia mety miteraka fiheverana diso an ! Fa ny ankamaroan’izy ireo dia mbola tena manjavozavo ny fahalalany an’i Jesosy. Raha mbola mijanona ho vahoaka ianao na mpivavaka tsotra, dia bitika ny fahafantaranao an’i Jesosy ary ny zavatra azonao aminy dia mbola mijanona ho bitika ihany koa: sakafo, fanasitranana, materialy….
Mpianatra. Fa mbola liana kokoa i Jesosy hahafantatra hoe iza no fahafantaran’ireto mpianany Azy. «Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza ? »(15). Tsy nisy namaly ny mpianatra afa-tsy i Petera ilay voalaza fa anisan’ireo mpianatra tian’i Jesosy na akaiky kokoa Azy. Nambarany ampahibemaso fa Kristy Zanak’Andriamanitra i Jesosy (15) izay midika hoe Mpamonjy sy Andriamanitra monina eo amin’ny olony. Andriamanitra any an-danitra mihitsy no naneho izany fanambarana izany tamin’i Petera (17).
Fahamarinana : Rehefa manana fifandraisam-pitiavana amin’i Jesosy isika dia omeny fanambarana manokana momba Azy ary omeny antso manokana sy fahefana manokana hampandroso ny fiangonany ! IRINAO VE IZANY ?

Laisser un commentaire