MATIO 16:1-12
Ny Fariseo sy ny Mpanora-dalàna (1–4a). Antokon’olona roa, sakay sy maso ireo; nefa nahagaga ny nandefasan’izy ireo solon-tena niraisana ho any amin’i Jesoa mba haka fanahy Azy (1a). Nangataka famantarana avy any an-danitra (1b) taminy ireo. Vao avy namahana olona 4.000 mahery tamin’ny mofo 7 sy trondro madinika vitsy foana nefa i Jesosy tamin’izay (15.36–38). Manoatra lavitra noho ny jamba izay minia mikimpy tsy mijery. Namaly azy ireo tamim-pahendrena i Jesosy. Nentiny tamin’ny fahalalana mahazatra ny besinimaro momba ny toetr’andro ny resaka (2–3). Dia nosintoniny nankany amin’ny “famantarana ny fotoana”. Ireo fahagagana nataon’i Jesosy no manambara fa efa tonga ary velona miaraka amin’izy ireo Ilay Mesia, izay famantarana tena izy.
Ilay tena famantarana: i Jesosy sy i Jona (4b). Samy natelin’ny fahafatesana izy roa ireo! Mampahafantatra ny famonjen’i Jesoa ny fahafatesan’i Jona, dia i Jesosy nahafoy ny ainy teo amin’ny hazofijaliana “nitondra ny otan’izao tontolo izao”. Fa famantarana ihany koa ny nandreseny ny fahafatesana io. Ny hazo fijaliana no tena famantarana an’i Jesosy.
Tandremo ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo (5–12)! Sendra izay resaka tsy nifanojo ny an’i Jesosy sy ny mpianany teto. Jamban’ny fiahiahiana izay hohanina ireto farany (7). I Jesosy ve hitebiteby amin’izay mofo hadino? Nefa vao avy nizara mofo ho an’ny olona be dia be Izy? (8) Ny masirasira na ny leviora amin’ny ankapobeny dia entina ilazana haratsiam-panahy, fihatsaram-belatsihy, eritreritra miafina sy maizina izay vakin’i Jesosy fotsiny toy ny amin’ny taratasy fotsy.
Vavaka: “Ry Rain’ny voninahitra o, omeo anay ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ny fahalalana Anao tsara, ary mba hampahiratina ny mason’ny sainay …” (Efesiana 1. 17, 18)