1 TANTARA 10:1-14
Mampitsahatra ny fifandimbiasam-pitondrana ny Tompo (1-7). Lavo ilay mpiady mahery sady nisafidy fahafatesana hafa kely mba hialany ny fahafam-baraka izay mety hataon’ny fahavalony. Niara-maty taminy ihany koa ireo zanany : foana arak’izany ny fitohizan’ny fitondram-panjakana satria tsy nisy intsony ireo taranany. Andriamanitra, Ilay Tompo, mifehy sy manoratra ny tantara no tompon’antoka tamin’izay rehetra niseho. Mampitsahatra ny fitondrana tsy matahotra Azy ny Tompo.
Mifaly ny fahavalo (8–10). Tena fifaliana ho an’ny Filistina ny fahafatesan’i Saoly ka dia naely ny vaovao. Faly ihany koa Satana rehefa lavon’ny fahotana ny mpino ka tena ataony menatra sy afa- baraka mihitsy amin’ny fomba maro isan-karazany. Fampitandremana lehibe ho an’ny mpitarika sy ny mpiray dia izany.
Mamaly fitia (11-12). Nahafinaritra ny fandraisan’andraikitra sy fanehoam-pitiavana nasehon’ireo mponina tao Jabesy Gileada. Mba manao ahoana tokoa re ny fahatsiarovako izay soa nataon’ny hafa tamiko e?
Miankina amin’ny safidy atao no hiafaran’ny fiainana (13-14). Nisafidy ny tsy hatoky sady tsy hankato anÁndiamanitra i Saoly dia nolavin’ny Tompo (1 Samoela 13.15 ; 1 Samoela 28 ; Deoteronomia 17.1-6). Mazava arak’ízany fa izay miala na mivadika amin’ny Tompo dia ho very mandrakizay. Fiainana mandrakizay koa no miandry izay mino sy manaja ny Tompo. Efa manomana lalana hafa ho an’ny olony anefa ny Tompo satria nesorina i Saoly ary nanangana an’í Davida handimby azy Izy.
Fampieritreretana : Mitadiava izay hanaovana ny mahamendrika eo anatrehan’ny Tompo.