JESOSY MPAMINDRA FO

MATIO 15:21-28

Ny Kananita ara-tantara dia fahavalon’ny Isiraely, kanefa dia miantso sy mino an’i Jesosy ho zanak’i Davida na ny Mesia (21-22) ity vehivavy kananita ity. Manantena fa hahavonjy ny zanany voafatotry ny demonia. Marina ny azy satria “izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly” (1 Jaona 3:8).
Tian’ny Tompo hozahana toetra anefa izany finoana izany. Ary raha niantsoantso famonjena aza rahavehivavy dia toa valin-teny sy fanilihana no setriny (23). Tamin’ny alalan’ny sarin-teny no tian’i Jesosy hozahana hoe : « hatraiza no hanaken-dravehivavy fa sady tsy mendrika izy no tsinontsinona satria mpanota ? » (24, 26).
Ny fiankohofana dia fanekena ny fahalebiazan’Andriamanitra sy fanekena azy ho manan-pahefana (25). Ny fanekena ny maha tsy mendrika izany no fanetren-tena mahakasika ny fon’Andriamanitra.
Hoy ny mpanao Salamo: “Ny fanatitra ho an’Andriamanitra dia fanahy torotoro; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona” (Salamo 51.17).

Tahaka ahy sy ianao dia tsy misy mahamendrika antsika hahazoana fomonjena fa izay nomena antsika dia FAHASOAVANA. Ny famonjena raisintsika amin’ny Andriamanitra dia tsy avy amintsika na inona nataontsika sy fahatsarana mampirehareha fa vokatry ny fitiavan’Andriamanitra araka izay voasoratra hoe “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra” (Efesiana 2:8).
Tsapan’i Jesosy Kristy ny halalin’ny finoan’ity vehivahy ity (28) ary nankasitrahany ny fangatahana fanafahana. “Fa raha tsy amin’ny finoana tokoa dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriaminitra” ( Hebreo 11.6).

Laisser un commentaire