1 TANTARA 11:1-25
Voahosotra ho mpanjaka i Davida (1-3). “Indreto izahay taolanao sy nofonao” (1) … fotoana nanamarika ny nandraisan’i Davida ny fanjakana. Efa ela ny hosotra voalohany noraisiny (1 Samoela 16.13). Niandry io fotoanan’ny Tompo io izy na dia efa fantany aza fa izy no handimby an’í Saoly. Ny Tompo Andriamanitra izay efa nifidy azy no nanatanteraka ny teny fikasany amin’ny fombany sy ny fotoany. Hain’ny Tompo, Ilay mifehy ny zavatra rehetra ny mandamina ny fifandimbiasam-pahefana. “Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin’ny fotoany avy” (Mpitoriteny 3.11)
Tafatoetra ny fanjakany (4–9). Tafiditra tao Jerosalema Davida sy ny olony satria nomba azy ireo ny Tompo. Manam-pahavalo ihany koa isika saingy mifalia fa raha mino sy mankato Azy ianao dia hivoaka ho mpandresy (Romana 8.31).
Miavaka ny fandresena avy amin’ny ny Tompo (10-25). Lehilahy mahery, mahatoky, mpanao vy very ny ainy, tsy miovaova, mpankato, no nataon’Andriamanitra ho mpiara-miasa tamin’í Davida (Jasobeama= avelao ny vahoaka hiverina; Eleazara= mamonjy Andiamanitra, Sema (2 Samoela 23.10-12; Abisay, Benaia). Olona tena tia azy sady vonona hampanjaka azy no niray dia taminy. Nahavita zavatra mampitolagaga maro izy ireo araka ny toerana, ny fotoana, 51423 ny fahaiza-manao nananany avy. Nandresy tamin’ny ady izy ireo sady nahazo laza tsara satria Andriamanitra niaraka taminy.
Fampanantenana : Mivoaka ho mpandresy manoloana ny ady amin’ny fahavalo isika raha mino sy mankato. Hivelatra arak’izany ny fanjakan’Andriamanitra. Laza sy voninahitra mandrakizay no omena antsika (Apokalypsy 2.26 ; 3.5).