MATIO 13:31-35 Fanoharana hatrany no hanambaran’i Jesosy ny fivelaran’ny fanjakan’Andriamanitra; ny voan-tsinapy sy ny masirasira na leviora no anehoan’izany eto (34-35).Toy ny voan-tsinapy (31.32) izay voa kely noho voa rehetra, saingy rehefa afafy dia lasa hazo itoeran’ny voro-manidina. Jesosy Kristy…