MATIO 15:1-20
Kianin’ny Fariseo sy ny mpanora-dàlana ny mpianatry ny Tompo fa tsy manasa tànana. Heveriny ho mampadio ny olona eo anatrehan’Andiramanitra ireny (1-2). Fatra-pandala an’izany ireto andian’olona manome tsiny ny Tompo ireto. Ny fanekena vaovao dia lalan’ny fahasoavana manansongadina ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’ny Kristy Jesosy ho ao am-pontsika. Izany no nilazan’ny Tompo amin’ny ohatra omeny eto fa tsy manala ny andraikitra maneho fitiavana ny ray aman-dreny ny fanaovana rakitra ho an’Andriamanitra (3-6). Hamafisin’ny Paoly izany “fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza” (1 Timoty 5:8).
Misy amin’izy ireny mifono fahendrena haitraitra fa mandrangaranga ny fampianaran-diso ao an-tsain’ny olona toy ny amin’ny famorana (Kolosiana 2.20-23).
Ho an’ny Fariseo sy mpanora-dalàna dia fomba hisehoana ivelany ihany izany ary filàna sitraka aman’olona fa ny fony feno fiatsarambelatsihy hatrizay: “Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana” (Matio 23:25; 8-9).
Aoka tsy ho sodoka. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’Andriamanitra” (Matio 5:8). Maloto ny fon’ny olona sasany ary tsy tia, tsy mahazaka fahamarinana sy ny mazava. Mahavery mandrakizay ny tenany sy ny hafa tarihiny izay mitoetra ao anatin’izany fahamafisana fo izany (10-14).
Fanasana. Mety ho diso làlana isika (15-20) fa tia antsika i Jesosy, aza manamafy fo fa miantso antsika hiverina aminy Izy (Hebreo 3.15).