MATIO 14:22-36
Tafio-drivotra. Niondrana an-tsambo ny mpianatra noho ny tenin’ny Tompo (22). Jesosy kosa nonovo hery amin’ny alalan’ny vavaka sy fiombonanana amin’Andriamanitra Rainy ka nialohavany ny mpianatra (23).
Tojo rivotra manohitra ny sambo ny mpianatra, indro Jesosy manantona azy ireo mandeha amin’ny ranomasina. Zavatra tsy fahita ny toy izany ka mitondra tahotra teo amin’ny mpianatra (25-26). Ao antin’izany rehetra no nilazan’i Jesosy hoe : ”Matokia Izaho ihany aza matahotra !” Nilain’i mpianatra ny mandre ny feon’ny Tompo manoloana ny tahotra mahazo azy mba hampitony ny fony sy ny ahiahiny. Mila an’i Jesosy isika hampitony ny tahotra sy ny fanahiana eo amin’ny fanatanterahana ny sitrapony (I Tesaloniana 5.23).
Ny fizahan-toetra ny finoana. Ny hafanampon’i Petera no naniriany hanatona ny Tompo (28-29) saingy ny fisian’ny tafiotra mahery no nahalemy ny finoany ka saiky niletehany. Soa fa teo Jesoa nandre ny fitarainany ka namonjy azy tsy hilentika (30-32). Ny finoana dia fahatokiana feno sy tanteraka ny Tompo amin’izay ambarany sy ataony. Mianatra izany eto i Petera (31-32).
Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Niseho ny voninahitr’ Andriamanitra satria niaiky ny mpianatra ny maha zanak’Andriamanitra an’i Jesosy noho ny fahefana sy hery niasa ho vavolombelon’izany (33), izay no nahatafita ny dia (34).
Tsy ny mpianatra ihany no mandray fahasoavana fa izay rehetra manaiky fa Jesosy no Tompo ka mampanjaka azy ao am-pony. Tsy lany ritra ny fitiavany hamonjy ny olona amin’ny lafiny rehetra fa indrindra ny hamonjy ny fanahiny (35-36).