NY FAHAFATESAN’I JAONA MPANAO BATISA

MATIO 14:1-12

Manjavozavo tanteraka ny zava-panahy satria maloto ny fon’i Heroda mpanapaka (1-3). Fianakaviana feno fahalovana sy herisetra ny ankohonan’i Heroda; Ray, reny, zanaka mikomy amin’Andriamanitra sy Jaona irany noho ny tsy fahazakana ny fahamarinana (4). Marina ny voalazan’ny Soratra Masina “ho halan’ny olona ianareo noho ny anarako”. Tsy mahagaga izany satria : “… izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina” (2 Timoty 3:12).

Tsy voatery hahafaly ny olona sasany sy manelingelina azy aza ny fahazavana toriana sy ambara (5). Tsy atao hahakivy izany “fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra” (1 Petera 3:14b).
Raha mba niaiky ny fahotany sy nibebaka mantsy i Heroda sy ny ankohonany dia novonjena izy ireo (Asa16.31)
Ny fandresen’ny mpino. Tao anaty fampanjakana ny nofo sy fahafinaretana tanteraka no nandraisana fanapahan-kevitra ny hamonoana an’i Jaona mpanao batisa amin’ny fomba feno habibiana (6-7,11). Navelan’Andriamanitra hitranga izany. Hatreto dia mahatoky i Jaona, na inona zavatra miandry azy dia tsy nivadika tamin’ny Tompony izy. Nahatanteraka ny fihazakazahana, tsy natahotra izay mety hahafaty ny nofo satria lehibe taminy ny famonjena ny fanahiny.

Safidy misy setriny izany, mety hiafara amin’ny fahatesana aza, toy izay niainan’ny mpino maro talohansika. Betsaka ny maritiora, toa ratsy fahafatesana saingy amin’ Andriamanitra dia zava-dehibe ny « maty ao amin’ny Tompo » satria miditra amin’ny fiadanan’Andriamanitra ireo ary hisaina ho fahamarinany ny asan’ny finoany (Apokalipsy 14.13) sady « zava-dehibe eo imason’i Jehovah ny fahafatesan’ny olony masina » (Salamo 116:15).

Laisser un commentaire