SAROBIDY NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

MATIO 13:44-52

Harena miafina sy vatosoa (44-46). Haren-tsarobidy tokony hokatsahina mihoatra noho ny zavatra rehetra araka ilay Tenin’i Jesosy “Fa katsaho aloha ny fanjakany…” (Matio 6.33). Fa tokony horombahina koa ka hamoizana izay tsy mety hanakana ny tsy ahazoana azy; izany mantsy no azo andikana ilay hoe nivarotra ny fananany rehetra ka nividy ilay saha nisy ilay harena nafenina sy ilay hoe nivarotra ny fananany rehetra ka nividy ilay vato soa.
Hoy Jesosy : “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy…” (Matio 16.24-26)

Tsy natao ho an’ny rehetra (47-52). Karazan-trondro samihafa no voaangona amin’ny harato tarihina izay ambaran’ity fanoharana ity. Eo amin’ny fampiakarana ny harato, dia tsy maintsy havahana ny tsara sy ny ratsy ary dia izany ho hiseho amin’ny fahataperan’izao tontolo; fotoana fampiakarana ny mpino, fotoana hanangonana ireo izay nahatoky hatramin’ny farany ho any amin’i Jesosy ka hisarahany amin’ireo ratsy fanahy. Tsy anavahana na iza na iza izany fampisarahana ny tsara sy ratsy izany satria na dia ireo mpanora-dalàna azy dia tsy maintsy handalo izany koa (52).

Fahamarinana : “Tsy izay rehetra manao amiko hoe : Tompoko, Tompoko, no handova no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra” (Matio 7.21).

Laisser un commentaire