MIVELATRA NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

MATIO 13:31-35

Fanoharana hatrany no hanambaran’i Jesosy ny fivelaran’ny fanjakan’Andriamanitra; ny voan-tsinapy sy ny masirasira na leviora no anehoan’izany eto (34-35).
Toy ny voan-tsinapy (31.32) izay voa kely noho voa rehetra, saingy rehefa afafy dia lasa hazo itoeran’ny voro-manidina. Jesosy Kristy no namafy ilay voantsinapy tamin’ny nitorian’ny Filazantsara (Matio 4.17); notohizan’ireo mpianany sy ny Apostoly ary ireo mpanompon’Andriamanitra samihafa izany ka nihitatra eran’izao tontolo izao. Ny Fiangonana ankehitriny no manohy izany fivelaran’ny fanjakan’Andriamanitra izany ka mandray ireo izay resy lahatry ny filazantsara ary mampianatra azy ireny, dia maniraka azy hitory amin’ny hafa indray.
Fampaherezana : Izaho sy ianao koa dia nantsoin’Andriamanitra hampivelatra ny fanjakany amin’ny fitoriana ny filazantsara satria tsy ho tonga ny farany raha tsy voatory amin’izao tontolo izao ny filazantsaran’ny fanjakana (Matio 24.14).
Toy ny masirasira (33) na leviora maneho an’ilay singa mampitombo ny koba ho an’ny mpanao mofo. Eto kosa izy dia ilazany fa misy fiantraikana amin’ny koba manontolo ny masirasira. Midika izany fa tokony hisy akony amin’ny sehatra rehetra misy ny olona (tokantranony, firaha-moniny, fiangonany, fireneny) ny fanjakan’Andriamanitra hita eny aminy sy toriany.

Tandremo: Epistily voasoratra vakian’ny manodidina anao natao hivelaran’ny fanjakan’Andriamanitra izaho sy ianao (2 Korintiana 3.2).

Laisser un commentaire