ADY NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

MATIO 13:24-30/ 36-40

Iatrehana fahavalo (24.30). Fahavalo izay mamafy voan-tsimparifarifary araka ny ambaran’i Jesosy. Ireo fampianaran-diso sy faminaniana sandoka mirongatra marobe amin’izao vaninandro iainantsika izao no maneho izany voan-tsimparifary izany. Tsy afaka sakanana izy ireny fa anjaran’ny tsirairay ny mamantatra ny voa tsara izay afafin’ny olon’Andriamanitra mifanindran-dalana amin’izy ireny. Tsarovy fa ny vokatra tsara ihany no angonina ho amin’ny fiainana mandrakizay izay ambara hoe sompitra eto (29-30, Matio 7.16-20) fa ny vokatra ratsy kosa dia hodorana izany hoe alefa any amin’ny farihy mirehitra afo (42).
Baiko: “Mitandrema hianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka …” (Matio 7.15).
Anavahana ny tsara sy ny ratsy (36-43). Ny Zanak’olona dia i Jesosy Kristy (37) amin’ny alalan’ireo mpanompony sy ireo mpino tena nanolo-tena ho azy marina ka tarihin’ny Fanahiny no mpamafy voa tsara, raha ny devoly na ny zanak’ilay ratsy kosa no mpamafy voan-tsimparifary (38b). Samy ety amin’izao tontolo izao no mifafy ireo (38a) ary samy manana ny fomba handraisany azy sy hampiharany azy ny tsirairay. Tahaka ny ady rehetra anefa dia hisy ny mpandresy sy ny resy amin’ny farany; ny fahataperan’izao tontolo izao izao no fiafaran’ny ady eto (39b). Amin’izany fotoana izany no hampiavaka ny tsara sy ny ratsy ka raha handray ny fanjakan’Andriamanitra itsy voalohany (43), ny faharoa kosa ho an’ny amin’ny fahaverezana mandrakizay (42).
Fandinihan-tena : Raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny…, dia hanavaka ny azy Izy,…….ka hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo ankaviany. (Matio 25.31-33). Aiza no hisy anao?

Laisser un commentaire