MATIO 13:10-17
Voatokana ho an’ny mpianatry ny Tompo (10-15). Maro no mandre ny fampianaran’i Jesosy amin’ny fomba samihafa nefa ny mpianany ihany no tena mahalala mazava na ampahafantariny mazava ny tena votoatin’ireny, indrindra moa raha fampianarana amin’ny alalan’ny fanoharana izany (11b, 12, 13-16). Moa tsy izany va no ilazan’ny Soratra Masina hoe “Teo amin’izao tontolo izao Izy,… nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy” (Jaona 1.10). Ny mpianany ihany, dia ireo mpanara-dia Azy ka nanolo-tena ho Azy no ampahafantariny ny zava-miafin’ny fanjakan’Andriamanitra (1, 2), satria ireo no nomeny ny Fanahiny (Jaona 1.12), izay afaka mampahalala azy ny zavatra rehetra (Jaona 14.26). Isan’izany ve ianao?
Hoy Jesosy tamin’ny mpianany : “…fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo, satria izay rehetra reko tamin’ny Raiko no nambarako taminareo” (Jaona 15.15).
Mahasambatra (16-17). Nambaran’i Jesoa fa sambatra ireto mpianany ireto satria nahita Azy sy nandre izay nambarany (16) ary maro no te-hisitraka izany fahasambarana izany saingy tsy afaka (17). Nambaran’i Jesosy tamin’i Tomasy koa anefa fa sambatra izay tsy nahita nefa nino (Jaona 20.29b). Koa meteza ho isan’izay mino an’i Jesosy sy ny Teniny dia hahatakatra ny zava-miafin’ny faminaniany ka ho sambatra.
Vavaka : Jesosy o! Ampahiratony masonay ahafantaranay ny zava-miafin’ny fanjakanao. Amena!