MITADY FAMANTARANA

MATIO 12:38-50

Manokatra ny fo. Tsia ! tsy zava-dratsy akory ny mitady famantarana… Iza tokoa moa no tsy mba te hahita izany? Misy anefa ireo olona tsy vonona hino raha tsy mahita fahagagana aloha. Rehefa mandinika akaiky isika, dia mahita fa sarobidy ny valitenin’i Jesoa. Betsaka ny famantarana efa nitranga: ny fahaterahany mahagaga, ny fomba nahafatesany, ny fitsanganany tamin’ny maty, ny niakarany tany an-danitra indray. Ary moa tsy fahagagana lehibe ny mahita olona niaina tao anaty fahotana sy faharatsiana feno aizina, nefa niova fiainana tanteraka rehefa nibebaka? Rehefa miditra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, dia mahita famantarana tsy tambo isaina, satria miasa lalina any anatintsika izany. Izay no nahatonga ny mpanao Salamo nilaza hoe: “Ampahirato ny masoko, mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ny lalànao” ( Salamo 119.18).
Ny rahalahiny sy anabaviny. Tsy sanatria manao tsinontsinona ny firaisan’ny ankohonana iray rà akory Jesoa. Tiany havoitra fa misy koa ny hevim-panahy: ankohonana iray ihany izy sy ny mpianany, satria ny Rainy dia Andriamanitra (Matio 6.32).

Afaka misintona lesona avy amin’izany koa isika: ny mpino rehetra na inona na inona fiangonana misy azy, na avy aiza na avy aiza fiaviany dia zanak’Andriamanitra izy; ary natao hifameno sy hifampizara (fifaliana, fahavesarana…s.n.s); ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra (50): io hoy Kristy no marika lehibe indrindra maha rahalahiny sy anabaviny.
Raha raisina araka izany, manao ahoana ny toerana misy ahy?

Laisser un commentaire