MOMBA SA MANOHITRA ?

MATIO 12:22-37

Fanabantiana. Na dia hita mivaingana aza ny fahagagana nataon’i Jesosy: demoniaka jamba sady moana sitrana, dia tsy te hahalala izany ny fariseo. Vitany ny namadika ny zava-nitranga ho fanaratsiana sy fanabatiana, ka nilazàny ny Tompo ho avy amin’ny Belzeboba, fa tsy avy amin’Andriamanitra. Tsy azo lavina anefa fa manana fahefana tsy hay refesina amin’ny Satana i Jesosy. Tsy misy rahateo ny eo anelanelany, fa na ianao momba an’i Kristy na ianao manohitra azy: rehefa tsy mankato izay asain’i Kristy atao… dia midìka inona moa izany ?

Miteny ratsy ny Fanahy Masina. Mampahatahotra tokoa ilay filazana fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina (32). Andeha ho tsorintsika ny fanazavàna amin’ity fitenenana ity hoe “ mana-maso fa tsy mahita”; ny olona toy izany mantsy, dia efa manidy fo tanteraka ary minia mikimpy tsy te hahalala intsony mihitsy izay fahamarinana. Samy mety manao fahadisoana ny olon-drehetra, ary latsaka amin’ny fahotana, fa ny miteny ratsy ny Fanahy Masina kosa dia hafa mihitsy satria efa minia manome lamosina tanteraka an’Andriamanitra, ka mandà ny finoana ary tsy vonona hihaino na hatramin’ny feon’ny fieritreretany aza. Tsy mieritreritra izay hangata-pamelàna intsony akory izy, mba hiverenana amin’Andriamanitra.

Ny vava sy ny fo. Fahamarinana iray lehibe no mivoitra eto: ny voa no ahafantarana ny hazo… avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava (33-34b). Ny fisainan’ny fariseo dia hoe azo hatsaraina ny voa, n’inon’inona toetry ny hazo. Notsipahan’i Jesosy izany; moa tsy miseho amin’ny teny ambarany eny foana izay tena ao anatin’ny fon’ny olombelona?

Laisser un commentaire