MATIO 12:1-21
Fotoam-pitsaharana masina. Ny ventin’ny sabata, araka ny ohatra nomen’i Jehovah nandritra ny famoronana, dia fitsaharana (Genesisy 2.2). Navoitran’ny didy folo ihany koa izany ho fotoam-pitsaharana izay hamasinina ho an’Andriamanitra ary hampivelatra tsara ny maha olombelona (Eksodosy 20.8); izany hoe avela eo ny asa aman-draharaha mampitotototo rehetra, fa atao laharam-pahamehana ny fitodihana amin’ny Tompo. Navadiky ny fariseo anefa izany, ka lasa enta-mavesatra maka endrika lalàna manandevo; vitan’ny fariseo tokoa mantsy ny namadika izany araka ny fisainana maha olombelona, ka nametrahany lisitra mirakitra fandraràna momba ireo zavatra tsy azo atao rehetra.
Ny lalan’ny famindrampo no tian’i Jesosy apetraka, hany ka hentitra ny fanambarany: “Tompon’ny sabata ny Zanak’olona” (8).
Mitondra fanafahana. Misy ho saintsainina lalina izay voalazan’i Jesosy hoe: “Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona ?” (12). Manokatra ny masom-panahintsika hahatakatra ny fahalehibiazan’ny olombelona eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy nisy zava-tsarotra, fa teny tsotra no nambaran’ny Tompo tamin’ilay lehilahy maty tanana “Ahinjiro ny tananao” (13). Ny fahitàna fa sitrana ilay lehilahy, dia nahatonga ny fariseo ho romotry ny hatezerana. Mampieritreritra izato toe-pon’ny fariseo: inona no nanavesatra ny fony nanomboka teo? (14).
Andeha hangataka amin’Andriamanitra, mba hazava tsara amintsika ny hasarobidin’ny sabata, izay mitondra fanafahana, fa tsy ho fanandevozana. Raha tahiny mbola misy maizimaizina any amin’ny fo (fialonana, fitsaràna…), aza mangataka andro, aoka hoentina eo amin’Ilay Tompon’ny famindrampo.