NAHOMA 3:1-19
Tanàna nitoeran’ ny faharatsiana. Azo sary an-tsaina araka izay voalazan’ny and.1 ny amin’ny fomba niainan’ny tanànan’i Ninive, Renivohitr’i Asyria: a) mpandatsa-drà: nivelatra tao ny fanjakazakàna, tsy nihafihafy, fa izay manohitra dia vonoina; mora ny fampidirana olona an-tranomaizina rehefa tiana, ary mahatsiravina ny famonoana izay maka endrika ho lian-drà. b) feno lainga sy fandozàna: nanjaka tao ny fitapitaka isan-karazany, mora ny mifanendrikendrika rehefa ilaina, ka ahafahana mahazo tombon-tsoa ; tsy mena-mivadika ny olona amin’izay mety ahazoana vola sy harena. d) tsy ialan-dremby : fanangonan-karena amin’ny fomba maloto isan-karazany…s.n.s Mampahatsiaro antsika inona re izany zava-misy izany e?Faharavàna indray mipi-maso. Hain’i Nahoma ny mitantara amin’ny fomba mivantana sy manaitra ny fidiran’ny fahavalo nanapotika an’i Ninive: ny soavaly, ny kalesy, ny sabatra , ny lefona … (2-3) ireo rehetra ireo dia milaza ny herisetra nitranga tao anatin’ny fotoana fohy, ka nitondra faharavàna. Manamafy izany ny kiaka heno “ rava Ninive !” (7). Mahery vaika tokoa raha ny fandravàna hita eto izay hoharina amin’ny lafaoro fandoroam-biriky (14).
Fampitandremana. Ny sary faminaniana nentin’i Nahoma dia tanteraka tamin’ny fanafihan’ny Babyloniana (taona 612 talohan’i JK), satria potika tsy nisy niangana ny tanànan’i Ninive. Misy vokany ny fahotàna niainan’io tanàna lehibe io! Ary ny toerana misy antsika ankehitriny, manao ahoana?… sao misy tokony hatao sy hibebahana? Miantraika amin’ny tsirairay koa izany, aza mangataka andro raha misy tokony hatao!