NAHOMA 2:1-13
Vaovao mahafaly ho an’ny Joda. Raha vao manomboka ny andininy voalohany, dia teny soa mahafaly no miantefa amin’i Joda, teny mitory fiadanana (1a). Inona tokoa moa izay Joda ? Tany kely ao afovoan’ny tany Palestina. Jereo anefa ny andininy fahatelo: manomana anjara tsara sy zava-tsoa lehibe ho azy ny Tompo. Nahoana? Jehovah no miahy azy, satria olony ireo. Ny Tompo mitoetra eo afovoany araka izay voalazany hoe “Fa Izaho ho manda afo manodidina azy ary ho voninahitra ao afovoany” (Zakaria 2.8). Mitondra fanantenana sy fiderana ho antsika vahoakan’Andriamanitra ankehitriny koa ny fisaintsainana izany (3). Marina fa mety misy ny ady mafy atrehina, toy izay nanjo ny Joda, raha teo ambany vahohon’ny Asyriana, saingy aoka tsy ho hadino fa an’i Jehovah ny teny farany.Faharavana ho an’i Ninive. Ny taona 612 talohan’i Kristy no nanafihan’ny Babyloniana ny Asyriana. Voalaza fa indray ripaka izy rehetra (1d). Tsy takatry ny saina ny zava-nisy, satria Asyria ilay noheverina ho mahery, ka tsy hisy haharesy, no lavo tampoka. Misy fetra tokoa ny haratsiana niainan’ny Asyriana (14).Manatsoaka lesona. Ny fieritreretana izay fahapotehana hanjo an’i Ninive, dia tokony hampahatsiaro tena an’ i Joda.
Jereo ny hafatra miantefa amin’izy ireo eto : tandremo “ny andro firavoravoana” (1b) izay midika ho fotoana fifandraisana sy fanomezam-boninahitra an’i Jehovah ; “efao ny voadinao” izay milaza ny fanompoana sy ny fanoloran-tena. Ny fanafahana ary, tsy midika ho fiainana baranahiny: ilaina karakaraina tsara mandrakariva ny fifandraisana amin’Ilay manana ny fahefana rehetra.