NAHOMA 1:1-14
Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka. Fakam-panahy mahazo ny olona matetika ny fiheverana fa Andriamanitra fitiavana ny Tompo, ka tsy mba mamaly heloka, fa manaiky am-pahatsorana izay zava-mitranga rehetra. Eto no ahitantsika fa tsy zakany ny fanaovana tsinontsinona ny anarany (2). Saro-piaro Izy : tsy sitrany ny fanompoan’ny vahoakany andriamanitra kely tsy izy, fahavetavetana eo imasony mantsy ny fampitoviana azy amin’ny sampy na koa amin’ny razana (Eksodosy 20.3-5). Antso miantefa amin’ny olona ankehitriny ity : sao mbola misy ireo minia miaina ao anaty adalàna, ka maniratsira an’i Jehovah.
Aoka ary isika hitandrina tsara !Andriamanitra mahari-po sady be hery. Noho ny fahamasinan’Andriamanitra, dia tsy zakany ny fahotana, kanefa azon’izay rehetra mitady Azy hialofana Izy (7) ! Ny filazana hoe mahari-po tsy midika velively fa manaiky ny tranga rehetra Izy. Maka fotoana Izy ary miandry, raha hitany fa mbola misy azo antenaina ny hitodihan’ny olona aminy. Ohatra iray amin’izany ny mponina tao Ninive: na dia nanao izay ratsy aza, rehefa nitodika niverina ary nibebaka tamin’ny Tompo, nanao ahoana ny vokany ? (Jona 3.10-4.11).Mampieritreritra ny mahita fa mihatra ary miseho mivantana eo anivon’ny zava-boahary ny herin’Andriamanitra : nanao ahoana avy ny tendrombohitra, ny havoana, ny tany ? (5).
Endrey ny halehiben’ny fahasoavan’Andriamanitra, izay nanomana fandaharam-panavotana ho antsika tao amin’i Jesosy Kristy: nitondra ny heloky ny olon-drehetra Izy (Jaona 3.16). Anisan’izay manana anjara feno amin’izany fitiavan’ny Tompo izany ve aho?