MANEKE NY NANAOVANA ANAO

SALAMO 139:13-24

Tsy misy ny kisendrasendra. Fandre matetika eny anivon’ny fiaraha-monina eny ny hoe zaza tsy nirina na tsy neritreretina hisy ny zaza iray. Eny fa na isika aza dia mety ho isan’ny miaina izany. Ny Salamo nosoratan’i Davida eto kosa anefa dia mampahery antsika fa na mety hoe tsy nirin’ny ray aman-drenitsika aza isika, dia tena efa programan’Andriamanitra ny nahaterahantsika sy nahatongavantsika eto an-tany (13)! Izy mihitsy no efa niangaly sy namolavola antsika ho lava orona na baribary maso na somary fohifohy na toy ny ahoana isika!Ekeo fa tsara ny nanaovana anao! Ny olona rehetra samy misy tsininy, tsy misy tonga lafatra na dia hoe tsy hita maso aza ny kileman’ny sasany fa ny hafa kosa hita. Ny azontsika antoka dia tsara ny nanaovan’Andriamanitra antsika fa ny olona samy olona no mifampitsara hoe iry ratsy na iry tsara. Afaka hataontsika ny manatsara ny endrika, ny volo, ny bika fa ny manova tanteraka azy kosa dia toy ny manao tsinontsinona ny famoronan’Andriamanitra! Misy antony matoa izao no nanaovan’Andriamanitra anao!Efa voasoratra sy voatondro!

Efa voalamina maty paika ny androntsika (16b), ny andro voatendry rehetra na dia mbola vao tany am-bohoka aza isika. Izany rehetra izany dia maneho ny fahalehibiazan’Andriamanitra izay tsy voasainintsika olombelona na oviana na oviana! Ny fiankinantsika sy fametrahantsika ny fiainantsika Aminy no hahafahany mitarika antsika ho amin’ny lalan-tsara sy hiatrehantsika ireo fahavalo izay mikendry handavo sy hanalavitra antsika amin’Andriamanitra (19-24).  

Vavaka : Misaotra Tompo ô fa kanto ny nanaovanao ahy! Voakaly aho, tsara voatra, mampiaiky saina, fo ka hankasitrahako indrindra Anao izany. Amena!

Laisser un commentaire