REHAREHAN’NY RAY AMAN-DRENY

OHABOLANA 23:15-35

Manan-janaka hendry. Iza no ray aman-dreny tsy haniry hoe hendry ny zanany? Fa ahoana moa ny hoe hendry ao amin’ny Tompo? Mihaino, mankato ary mahatoky an’Andriamanitra (17,23), mandray ny anatranatra sy hafatry ny ray aman-dreny ary manoa izany (18,19,26). Ireo no isan’ny toetran’ny hendry.Mpitondra fifaliana. Rehefa hendry ny zanaka dia mitondra fifaliana ho an’ny ray aman-dreny sy ny manodidina azy ny fisiany. Tahaka ny ahoana moa ny fifalian’ny ray aman-dreny raha manomboka miteny ohatra na afa-panadinana ny zanany? Kanefa dia mihoatra lavitra noho izany ny fifalian’Andriamanitra amin’olona (fanahy) iray izay mibebaka ka manatona Azy! (jereo Lioka 15.7)

Halaviro ny filan’ny nofo! Mananatra mafy ny zanaka tsy hanaiky ho voataona ho amin’ny fisotroan-divay sy toaka ny ray eto. Izany filàna izany mantsy dia mitarika ho amina filàna maro hafa toy ny fijangajangana (27), ny eritreri-dratsy isan-karazany (33), dia avy eo lasa miaina anaty faharatsiana tanteraka (30). Ary mampikorosy fahana mihitsy aza rehefa tena miankin-doha any aoriana (21). Henatra ho an’ny ray aman-dreny ny fananana zanaka lavo ho amin’ny fahalotoana toy izao!

Fanontaniana. Iza amin’ireo toetra voalaza anatin’ny lahatsoratra no anananao? Tsara sa ratsy izany? Raha tsara, andeha hisaorantsika ny Tompo ny nanomezany antsika izany toetra tsara izany ary hotohizana hatrany! Fa raha ratsy kosa, andeha isika handini-tena eo anatrehany ary hibebaka sy hifona amin’izay toetra ratsy mbola ananantsika ka hangataka famelàna sy fanafahana Aminy!

Laisser un commentaire