IAINANA NY FAHENDRENA

OHABOLANA 22:17-29

Mampianatra ny fomba fampiharana ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fahendrena amin’ny fiainana andavanandro ny bokin’ny Ohabolana. Mipetraka  amin’ny toeran’ny ray izay manoratra amin’ny zanany ny mpanoratra. –  Zavatra roa no takiany amin’ny zanany dia ny mba hananany (17-19) : • Sofina tena liana fatratra ny hihaino ny tenin’ny hendry, ny tenin’Andriamanitra. • Ary fo mankato, fo tena mahalala Azy. Ny olona matoky an’Andriamanitra! Ny sofiny mitongilana amin’ny Teniny ary ny fony manana fifandraisana lalina Aminy.-  Ny Tenin’Andriamanitra ve? Azo antoka, soa, misy hevitra tsara sy fahalalana, mahatoky, ahafahana mamaly (20-21).-  Teo amin’ny vavahadin’ny tanàna no toerana nanatanterahan’ny zanak’Israely ny fitsarana (22-23). 

Fampitandremana : Ho anao manam-bola sy manam-pahefana, tandremo manararaotra ny ory sy mahantra satria Andriamanitra no mpisolovavany ary hamaly izay manao tsinontsinona azy.-  Mampitandrina ny teny mba tsy hifandraisana sy hinamanana amin’ny olona mora tezitra sy foizina (mahery setra) satria mifindra izany. Araka ilay teny hoe: lazao ahy ny namanao dia ho lazaiko anao ny toetranao (24-25).-  Tamin’ny zanak’Israely, ny olona tsy nahaloa trosa lasa andevo. Tena saro-pady ny resaka manodidina ny vola ary tsy fahendrena ny fiantohana trosan’olona, indrindra raha tsy misy ny fahafahana handoa izany (26-27). –  Manameloka ny famindrana ny fari-tany mba ho fampitomboana ny fari-tanin’ny tena manokana ny tenin’Andriamanitra (28; 15.25; Deotoronomia 19.14)-  Ry Josefa sy Daniela mbamin’ireo namany dia tafiditra amin’ireo sokajin’olona voalaza fa mailaka amin’ny raharahany (29; Genesisy 4.41-43; Daniela 2.46-49).

Ny fahamarinana voalaza dia mitaona antsika hiatrika ny andavanandrom-piainana am-pisainana sy am-pahendrena (Jakoba 1.5).Fahamarinana: “Ny fahatahorana an’Andriamanitra no fiandoham-pahendrena na fiandoham-pahalalana” (1.7; 2.1-5).

Laisser un commentaire