MENDRIKA HODERAINA NY TOMPO

SALAMO 147:1-20

Hira fiderana. Ny fihirana dia sady mendrika ho an’Ilay Andriamanitry ny fahatsarana no mampahazo aina ny mpihira (1). Mahasoa ny miventy, mitanisa, misaintsaina ary mamerimberina ny fahendren’Andriamanitra amin’ny fomba kanto tahaka ny mozika: manandratra, mankalaza, midera Azy noho ny fahatsarany sy ny fahalehibiazany.
Firindrana eo amin’ny natiora. Ny ranonorana, ny tany, ny zava-maniry, ny biby (8, 9). Mirindra toy izany koa ny fiderana andrasana avy amin’ny olombelona izay natao hanjaka amin’ireny. Voalaza eto fa voaisan’Andriamanitra ny kintana ary nasiany anarana tsirairay (4). Feno fahendrena Izy. Inoana fa tahaka izany no itondrany ny olony : arahiny maso ary tezainy tsirairay. Hatramin’ny hatsiaka mamirifiry aza dia hainy fehezina (16, 17).
Fifanekena tamin’ny olom-boafidiny. I Jerosalema, Isiraely, Ziona, Jakoba. Nasehony tamin’ireo ny fahasoavany : nositraniny, natsangany, nangoniny, novonjeny, naetriny ny fahavalony (2, 3, 6). Ireo vahoaka ireo no nampitan’ny Tompo ny teniny voalohany (19). Ka ireo no taomin’ny mpanao Salamo eto mba hidera Azy (12). Ny votoatin’ny fifanekena dia Andriamanitra mitahy ny olony ary ny olony kosa manaja sy mankatoa Azy (11-15). Ny endriky ny fitahiana dia ny fanomezan’Andriamanitra ny filàna fototra: sakafo, fandriampahalemana, taranaka. Ankoatr’izay, natolony koa ny teniny ho tari-dalana. Ankehitriny dia isika izay mandre ny filazantsara, nampahafantarina ny famonjen’i Jeso ary nomeny ny finoana Azy no olom-boafidy. Mampanantena Jeso fa hanome fiainana be dia be sy fiainana mandrakizay ho an’izay mino Azy. Andeha ary isika hankalaza sy hanandratra Azy ! Haleloia !

Laisser un commentaire